Karate-Mada 2024 : mpikatroka 500 no andrasana

Higadona afaka dimy andro ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja karate, izay hatao any Toliara. Manodidina ny 500 eo ny mpikatroka manerana ny Nosy andrasana, araka ny fanazavana nentin’ny tale teknika nasionaly eo anivon’ny Federasion’ny Karate-do Malagasy (FKM). Araka ny efa nampahafantarina hatramin’izay, ireo mpikatroka roa voalohany isaky ny sokajy avy amin’ny ligy 21 (Anosy-Androy-Atsimo Andrefana-Ihorombe-Atsimo Atsinanana-Fitovinany-Vatovavy- Matsiatra Ambony-Amoron’i Mania-Vakinankaratra-Menabe-Boeny-Betsiboka-Analamanga-Alaotra Mangoro-Atsinanana-Analanjirofo-Diana), miampy ny COSPN, Cosfa ary ny mpiandry fonja) no mifaninana any Toliara. Avo lenta tanteraka, araka izany, ny fifaninanana satria mpikatroka sangany manerana ny Nosy no hifanandrina. Araka ny fanazavana hatrany, ireo ligy 5 avy any Atsimo no miaraka mifarimbona amin’ny fikarakarana izao fifaninanana izao. Natao izany mba ho fampandraisana anjara ireo ligy sy fanomezan-danja azy ireo, araka ny efa fanamby napetraky ny FKM .

Mi.Raz

Partager sur: