Amin’ny ankapobeny, mizara roa ny hira na ny gadonkira faheno andavanandro. Ny mihetsiketsika sy ny milamindamina. Niainga teo amin’ny taona 2000, nihazakazaka be ny fivelaran’ny hira mihetsika raha ny mifanohitra amin’izany ny hira milamina… Kanefa, maro mpitia izy io !
Nandritra ny fampisehoana «Mandrapihaona» notontosain’i Voahangy tao amin’ny CCEsca Antanimena ny alahady 4 mey 2014. Tampoka tamin’ny mpijery ny fanontanian’i Narisoa : «Raha izaho no miaka-tsehatra, ho tonga ve ianareo ?». Niara-niredona ny rehetra : «Ho tonga izahay !». Amin’ny lafiny iray, toa fanontaniana manana endrika fakan-toky ny «ho tonga ve ianareo ?». Ny lafiny faharoa, fanontaniana toa manafina tahotra sy ahiahy. Tsy amin’ny maha Narisoa azy no ipoiran’ny famakafaka eto, fa ny endrika sy ny toeran’ny hira malagasy mihitsy. Hira milamina. Manome lanja ny hafatra ampitaina ao anaty tononkira. Mametraka ho fefy ny soatoavina… Nihalefy ny karazan-kira tahaka izany. «Tsy mba misy manampy izahay na te hiseho sehatra aza», hoy i Narisoa nilaza ny anisan’ny antony nahatonga izany. Fa maninona no tsy misy manampy ?
Mankaiza ny mpitia hira milamina ?
Ndeha tsy omena vahana ao anatin’ny valin-teny ny hoe mozikam-barotra na tsia, fa aleo potsirina ny vay mba ialan’ny fanaintainana. Manana ny mpankasitraka azy ny mozika mihetsiketsika, ny gadona vahiny, sns. Tsy miala vehana mihitsy izy ireo raha vao miaka-tsehatra ny mpanakanto tiany. Edriky ny fanohanana tsara indrindra ny tahaka izany.
Nahoana no tsy mba tazana manohana ny «azy» ny mpankafy ny mozika milamina rehefa miaka-tsehatra ireo mpiangaly izany ? Fanontaniana goavana noho ny «… Ho tonga ve ianareo ?» io. Mila taitra amin’ny torimasony ny mpankafy mozika milamina. Toy ny antso vonjy amin’izy ireo no nataon’i Narisoa tamin’izany fotoana izany, rehefa zohina akaiky.
Tsy tokony ho resy tondro maso amin’ny karazana mozika hafa ny mozika milamina raha tsy menatra ny mitia sy saro-piaro aminy ireo rehetra mankasitraka azy.
Samy manana karazan-kira milamina avokoa ny ankamaroan’ny faritra eto Madagasikara. Na izany aza, manatombo kokoa ny faritra afovoany, raha oharina amin’ny hafa. Ireo izany ilay mila fohazina ho tia ny azy !
HaRy Razafindrakoto