MPANOLOTSAINA : manana fahefana hampiato ny ben’ny Tanàna

Tsy tokony hatao ambanin-javatra ny fifidianana mpanolotsain’ny Tanàna, izay iray lisitra amin’ny kandidà ben’ny Tanàna. “Manana fahefana hampitsahatra na hampiato ny ben’ny Tanàna amin’ny asany ny mpanolotsain’ny Tanàna eo amin’izay zava-mitranga amin’ny fitantanana ny kaominina”, hoy ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, momba ny fiatrehana fifidianana kaominaly. Rafitra mpanapa-kevitra eo anivon’ny kaominina ny mpanolotsain’ny tanàna. Izy ireo no mandany sy maneho fankatoavana amin’ny alalan’ny fifidianana sy ny fanapahan-kevitra ny amin’ireo tolo-kevitra rehetra atolotry ny ben’ny Tanàna, izay enti-mampandroso ny fiainan’ny kaominina. Fahefana manara-maso ary manao tombana ny asan’ny rafitra mpanatanteraka tarihin’ny ben’ny Tanàna koa izy ireo. Manapa-kevitra amin’ny rafitra apetraka sy itondrana ny fitantanana ny kaominina. Anisan’izany ny isan’ny lefitry ny ben’ny Tanàna izay tokony hapetraka, ny isan’ny mpiasa, ny fizarazaran’ny sampandraharaha ao anatin’ny rafitry ny kaominina…
Na izany aza, tsy latsak’izany ny asan’ny ben’ny Ta­nàna. Filoha mpanatanteraka ireo asa rehetra ho fampandrosoana ny kaominina, ohatra, izy. Tomponandraikitra voalohany amin’ny famolavolana ireo tetikasa miaraka amin’ny tetibola hitantanana ny kaominina ary manolotra izany amin’ny filankevitry ny Tanàna. Eo koa ny fitantanana ny raharaha rehetra sy ny fandraharahana ary ny mpiasan’ny kaominina amin’ny ankapobeny. Tomponandrai­kitra voalohany amin’ny fisoloana tena ny kaominina izy, na amin’ny sehatra hafa na amin’ny rafi-panjakana hafa ivelan’ny kaominina.

R. Nd.

Partager sur: