Anatin’ny « ambiansy » ny fifidianana i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Efa mipetrapetraka avokoa ny paikadin’ny fampielezan-kevitra avy amin’ny ankolafin-kery rehetra na mpanohana, na mpanohitra fitondrana. Indrindra ny mahaleo tena tsy anaty antoko. Efa mahoraka ny adisisika mangingina, mitety tanàna. Manginy fotsiny ny fidinana an-dalambe mampahafantatra ny kandidà sy ny vinan’asany.
Ny indrokely, mbola mandeha ila hatrany ny firotsahan’ny olona hofidiana. Maro anisa ny lehilahy. Ambany ny tahan’ny andriambavilanitra. Maro ny hodidina mahatonga izay, toy ny kolontsaina, ny lafiny ara-bola, ny tontolo politika. Mitaky ezaka misimisy kokoa ny fampirisihana sy ny fanohanana ny vehivavy amin’ny tontolon’ny fifidianana.
Toraka izany, mila fifanentanana misimisy kokoa ny tontolon’ireo manana fahasembanana. Raha tsy mbola any amin’ny firotsahana hofidiana ny resaka, tokony efa homen-danja ihany koa izy ireny amin’ny sehatra hafa. Anisan’izany ny fikarakirana ny taratasy amin’ny androm-pifidianana. Na ny fisoloana tena ny kandidà na ny « delege » izany.
Tsy moramora ny miatrika fifidinana, eny na efa anatin’ny trano fisainana aza, hanipika ny bileta tokana. Andraikitra goavambe izany. Mila fahavonona tokoa ny dingana rehetra amin’ny fifidianana. Mila fahasahiana mandray andraikitra amin’ny dingana rehetra izany. Iankinan-javatra maro amin’ny fiainam-pirenena rahateo ny voka-pifidianana mivoaka eo.
Fifidianana fototra ny resaka ben’ny Tanàna. Tsy afaka ny manao ambanin-javatra na ny mpifidy, na ny hofidiana. Na ny mpikarakara na ny mpanara-maso ny latsabato. Mila mitandrina sy mipetraka ho mpanara-dalàna hatrany ny olon-drehetra, mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana. Ny adidy tsy an’olon-dratsy, mila fiaraha-mientana avy amin’ny rehetra.
r.r