Mandalo an-tanindrazana i Rija Randrianivosoa. Ankoatra ny nandraisany anjara tamin’ny fampisehoan’i Lalatiana, nampahafantatra ny asan’ny Saïry Production izy.
Natambatry ny mozika Malagasy. Patrick Lavaud, talen’ny “Les Nuits Atypiques” any Langon, izay anisan’ny niketrika ny Feo Gasy niaraka tamin’i Erick Manana. Nadiah Randriamananjara, misehatra eo amin’ny tontolon’ny famokarana zavakanto. Rija Randrianivosoa, mpitendry sy mpampianatra mozika. Ireo no nanangana ny Saïry Prod, izay manana ny foibeny any Bordeaux, France. “Miaro, mampahalala ary mampiely maneran-tany ny vakoka sy ny mozika Malagasy no tena andraikitra sahaninay”, hoy ny fampahafantarana nataon’i Rija Randrianivosoa, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy Behoririka.
Mizara telo mazava tsara ny sehatrasan’ny Saïry Prod : ny fitrandrahana sy fanangonana ifotony, ny fampitana sy fampianarana ary ny fanohanana ny famoronana. “Maro ireo mpanakanto any ambanivohitra any, tsy maro mpahalala, kanefa tena mitazona ilay vakoka. Manana tetikasa hidina ifotony, hanangona ireo kanto ireny izahay. Ny faharoa dia ny lafiny fampitana ny mozika. Maniry ny hizara ny fahalalana mahakasika ny fomba fampianarana ho an’ireo mpampianatra mozika, ka efa nisy ny fihaonako tamin’ny sasantsasany. Naniry ny hanangona azy ireo amin’ny fotoana sy toerana iray, mba hidinidinika momba ny fampianarana mozika, saingy tery ny fotoana handalovako”, hoy hatrany i Rija.
Roa taona
Ny taona 2022 no nanomboka ny asany ny Saïry Prod. Efa niara-niasa tamin’ireo mpanakanto malagasy maro any ivelany, toa an’i Lalatiana, Fenoamby ary i Hazolahy. Nanampy an-dRajery tamin’ny fitetezana an’i France sy i Portugal ny 2023, ny andian-tsehon’i Lalatiana tany Canada ny 2024, ny fampiarahana talentan’i Dina sy i Rija ary ny sehon’i Teta rehetra tany France, tamin’ity taona ity.
Maromaro kosa ireo tetikasa kasaina hotontosaina ny taona 2025. Eo ny fanodinana ireo mpanakanto miara-miasa amin’ny Saïry toa an-dry Lalatiana sy Rija, Dina sy Rija, Malagasy Guitar Masters, Teta, Chrysanto, Hazolahy, Vazimba Vocal Music, Ralisy ary Mohamed Abozekry syErsoj Kazimov, izay tsy Malagasy saingy maneho ilay fisokafana amin’izao tontolo izao ihany koa. Eo koa ny fananganana ny Orikesitra Saïry, izay ivondronan’ireo mpitendry malagasy, afaka mizara ny mozika maneran-tany.
“Adidy tokony hatao fa tsy fitadiavam-bola ny anay. Misokatra hoan’izay rehetra mitovy fijery, indrindra izay afaka hisahana ny aty an-tanindrazana ny Saïry Prod. Hatombokay aloha ny asa dia hantenaina fa hivelatra tsikelikely izany”, hoy hatrany i Rija.
Zo ny Aina