Hotontosaina any Accra Ghana, ny 9-10 novambra ho avy izao, ny fifaninanana afrikanina, Rugby Africa Women’s Sevens, sokajy vehivavy, lalaovin’olona fito. Ao amin’ny vondrona « B » no misy an’i Madagasikara, i Kenya sy i Ghana mpampiatrano ary ny nosy rahavavy Maurice.
Nisongadina tanteraka, ny fandresen’ny ekipa espaniola, FC Barcelone, ny alarobia lasa teo, tao Espagne. Nomontsanin’izy ireo tamin’ny isa 4 no ho 1 ny FC Bayern Munich, nandritra ny andro fahatelon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, « Ligue des Champions 2025 ». Tsiahivina fa izay vao afa-bela tamin’ny Bayern ny Barça.
Eny amin’ny Orange Digital Center Soarano, no hanatanterahina ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara isan-tarika, taranja Échecs, ny 1 hatramin’ny 3 novambra izao. Ny talata 29 oktobra izao no fara fandraisana ny fisoratana anarana.
Hatao rahampitso sabotsy 26 oktobra eny amin’ny Dojo Esca Antanimena, ny fankalazana ny andron’ny Judo na ny “Judo Day”, andiany faharoa. Ny komisiona nasionaly Vétérans no mandray an-tanana ny fikarakarana ity hetsika ity.