Nisy atrikasa nitafan’ny firaisamonina sivily sy ireo mpanao tantsoroka ara-bola sy teknika misehatra amin’ny fahasalamam-bahoaka, ary ireo solombavambahoaka mitarika ny vaomiera maharitra ao amin’ny Antenimierampirenena, omaly, teny Tsimbazaza.
Tanjona lehibe ny hampahafatarana ny maha zava-dehibe ny fahasalaman’ny vahoaka (izay zo fototra), indrindra ny hetsika fanaovam-baksiny hiarovana ny ankizy amin’ny aretina am-polony. Nozaraina tamin’ireo mpivory ny ezaka rehetra vita sy ny asa mbola miandry ary ny tohana andrasana amin’ny mpiray ombon’antoka sy ireo depiote, izay ahafahana mampitombo ny tetibola ampiasaina amin’ny fanaovam-baksiny hisitrahan’ny zaza rehetra izany.
Amin’izao fotoana izao, mbola ambany ny tahan’ny fanaovam-baksiny indrindra taorian’ny fiparitahan”ny valanaretina Covid-19. Mila mandoa tsy tapaka ny anjarany ny fanjakana isan-taona ahafahana manafatra vaksiny ho an’ny kilonga, hoy ny sekretra mpanatanteraka ny Vovonan’ny firaisamonina sivily Hina misehatra amin’ny fahasalamana, Willy Beninandiana.
Ny 85% amin’ny vola hividianana vaksiny dia mbola miankina amin’ny mpanohana ara-bola hatrany. Noho izany, manao fanairana ny solombavambahoaka fa ho sahirana isika raha tsy misy ny fandraisana andraikitra. Tokony ho ny 15% amin’ny tetibolam-panjakana no atokana ho an’ny fahasalamana nefa 7% ihany aloha no voafaritra ho an’ny izany hatramin’izao, hoy ny mpitarika ny vaomieran’ny fahasalamana ao amin’ny Antenimierampirenena, Dr Rajaobelina Lova. Manantena ny fandraisana andraikitry ny solombavambahoaka ny firaisamonina sivily, mba hampiakarana ny sorabola ho an’ny fahasalamana.
Nandray anjara tamin’ny dinidinika ny vehivavy ben’ny Tanàna, ireo mpikambana amin’ny Chanut Madagasikara ary ireo tanora ao anatin’ny vovonana NOSYW. Taorian’ny adisisika nataon’ny firaisamonina sivily, naneho fahavononana hiara-hanao ezaka ireo solombavambahoaka sy ny mpanohana ara-bola. Tanjona amin’izany ny hisian’ny fivoarana amin’ny sorabola ho an’ ny fahasalamana. Hiditra amin’ ny fandaniana ny volavolan-dalàna momba ny tetibolam-panjakana (LFI) taona 2025 rahateo ny Antenimiera roa tonta mandritra ity fotoam-pivoriana ity.
Vonjy