VAOVAO TAMBATRA

Hafindra eny Bongatsara, atsimondrano, ny toby fitahirizan-tsolika etsy Ankorondrano. Hatao izany, noho ny fananamboarana lalana vaovao eny Anko­rondrano mankeny amin’ny kianja Maki Andohatape­naka. Etsy ankilany, miisa 65 ny ampahatany hananganana ny fitahirizan-tsolika eny Bongatsara. Hiantohan’ny orinasa Logistique Petrolière ny fanonerana ny tompon-tany.
Tanterahana ao Mahajanga ny 24 ka hatramin’ ny 27 oktobra ny hetsika « Salon des acteurs écono­mi­ques » andiany faharoa. Ambohi-pihaonan’ireo mpisehatra ara-toekarena samihafa ny hetsika sy hanandratana ny fahaiza-manao ary ny vokatra malagasy. Mahatratra hatrany amin’ny 100 ny trano heva azo tsidihina mandritra ny hetsika.
Hatao any Azerbaidjan ny fivoriamben’ny firenena mikambana (Cop 29) mahakasika ny fiovan’ny toetr’ andro, ny 11 hatramin’ny 22 novambra ho avy izao. Man­dray anjara amin’ity fihaonambe ity i Madagasikara, hampiseho ny fahavononany hiady amin’ny fiovan’ny toetr’andro. Ho karohina koa ny mpiara-miombon’antoka hamatsy vola antsika.
Manana tanjaka hatrany amin’ny 180 térahwattheures ny fahafahan’i Madagasikara hamokaratra herinaratra avy amin’ny rano. Mametraka ny firenena mala­gasy eo amin’ny laharana fahatelo aty Afrika izany. Hatreto, mbola ny 0,49% monja amin’io tanjaka io no voatran­draka hatramin’izao ka manakana ny fampiasam-bola manatsara ny harinkarena.

Partager sur: