Antohomadinika : jiolahy iray lavon’ny polisy

Nihena iray indray ny olon-dratsy ho an’ny eny amin’ny faritr’Antohomadinika sy ny manodidina. Jiolahy mpandroba amin’ny alina, maty voatifitra.

Jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana mitam-piadiana lavon’ny polisim-pirenena teo Antohomadinika, ny alin’ny alakamisy 24 oktobra, tamin’ny 9 ora alina. Ni­haodihaody teny amin’ny ma­nodidina ireo olon-dratsy telo mirahalahy, nanomboka ny harivan’io andro io. Tsikaritry ny manodidina anefa ny fihetsiky ireo mpandroba ireo. Ni­lan­ja sabatra sy antsy izy telo lahy ka raiki-tahotra ny mponina. Niantso mpitandro filaminana ireto farany.  Nanao be midina sy nanao vela-pandrika hanatrarana ireo olon-dra­tsy voalaza ireo ny polisy eo anivon’ny UIR sy CUI. Nana­ra­ka ny lakandrano Antoho­ma­dinika izy telo lahy. Nara­hin’ny mpitandro filaminana maso akaiky ny fihetsiny. Ni­koropaka nitsoaka ireo olona voatondro nandritra ny fifanjevoana. Namoaka ny sabatra teny aminy ny iray tamin’ireo jiolahy. Nikiry hanohitra ny polisy hisambotra azy izy ka lavon’ny tifitra. Nitsoaka nandositra ny roa lahy namany. Mitohy ny fikarohana azy ireo. Marihina, anisan’ny faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana, indrindra amin’ny andro alina, ny eny amin’ny manodidina an’Anto­homa­di­nika sy ny elakela-tranon’ny 67Ha tonga hatrany Andoha­ta­penaka. Mitaintaina ny an­ka­maroan’ireo mponina mody alina eny an-toerana. Voaka­si­k’izany koa, ireo mpandalo.

Tsiferana R.

Partager sur: