Baolina kitra, vehivavy – “Cosafa cup”: hidona amin’i Malawi tompondaka ny Barea, anio

Hifantoka atsy Afrika Atsimo indray ny sain’ny mpitia baolina kitra, amin’ity faran’ny herinandro ity. Hiaka-tsehatra mantsy, anio, ny Barea, vehivavy, eo amin’ny fiadiana ny “Cosafa cup”. Hidona amin’i Malawi izy ireo, anatin’ny vondrona “B”.

Hiatrika ny andro faharoa amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika, taranja baolina kitra, vehivavy (Cosafa cup 2024) ny Barea de M/car, anio. Fihaonana hotanterahina ao amin’ny Kianja Nelson Mandela University Athletics Stadium, Afrika Atsimo.
Hifandona amin’i Malawi, ekipa tompondaka farany, ny Malagasy amin’izany. Hien­drika famaranana kely, araka izany, ny fihaonan’ny roa ton­ta, izay ao amin’ny vondrona “B”. Raha tsiahivina, mitarika vonjimaika ny Barea, taorian’ ny andro voalohany. Ny Ma­la­ga­sy irery mantsy no ha­ny na­ha­zo fandresena tamin’ ireo eki­pa 4. Nandavo ny Club M Maurice, tamin’ny isa 5 no ho 1.
Nisaraka ady sahala 1 sy 1 kosa i Malawi sy i Botswana. Hitady fandresena fanindroany hahatsara toerana, hiakarana amin’ny dingana manasa-dalana izany ny Barea amin’ity. Raha ny endri-dalao nasehon’ny Barea aloha, mety tsy hananosarotra amin’izy ireo ny handresy ny malaoita. Efa nanao fanintsiana tamin’ny zavatra tsy nety rahateo ny mpanazatra, taorian’ny fihaonana tamin’i Maurice.
Ny fahazoana isa telo amin’ity lalao anio ity dia mampisy tsirim-panantenana hanohizana ny lalana ho an’ny Barea saingy ny baolina boribory ary tsy maintsy hiady aloha, fa ny mpifanandrina rahateo tsy hitazam-potsiny fa tsy maintsy hiaro ny anaram-boninahitra eo am-pelantanany.
Etsy ankilany, heverin’ny rehetra fa mety tsy hahatohitra an’i Botswana ny maorisianina, ho an’ny fihaonana ilany amin’ity sokajy misy ny Barea ity.
Ny lalao farany ao amin’ity vondrona “B” ity dia ny fihaonana amin’i Botswana, ny ala­tsinainy ho avy izao. Eo no hahalalana ny ekipa tafita amin’ny manasa-dalana.

Tompondaka

Partager sur: