“…Io ny tarik’Andriatinarivo”. Ampahan’ny tonon’ilay hira nampahafantarana ny Tropy Jeannette io. Io no nosafidiana hanamarihina ny faha-95 taonan’ity tropy teatraly zokiny indrindra eto Madagasikara ity. Fampisehoana hira teatraly ranofotsiny mantsy no hanamarihina izany, rahampitso alahady 27 oktobra, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, eny amin’ny Alliance Française Andavamamba.
Hira izay notsongaina tao anatin’ireo piesy filalaon’ny Tropy Jeannette hatramin’izay no alahatry ny mpikambana amin’izao fotoana, mandritra io seho io. Santionany ny “Bakobako rrrroa” anatin’ny tantara “Ny voromailala”. Tanjona amin’izany ny fampahafantarana sy fampitana ireo hira teatraly amin’ny tanora aty aoriana, indrindra ireo noforonin’ Andrianary Ratianarivo, izay nitarika ny Tropy Jeannette andiany voalohany. Ao anatin’izany ny famoahana ny hira araka ny aingam-panahin’ny mpanoratra sy ny mpamoron-kira, izany hoe, ny tena tononkira sy ny feony marina, ary ny fomba fihirana azy, toy ny any anaty teatra.
Zo ny Aina