“Festi-Sôva” andiany faha-7 : homena sehatra ireo kalaza amin’ny vakisaova

Hetsika ara-kolontsaina miharo fanabeazana ny “Festi-Sôva”. Hiara-dalana ny zavakanto sy ny fanentanana isan-karazany amin’ity andiany faha-7 ity. Hivelatra kokoa noho ny teo aloha ny hetsika.

Hazo Midoroboka avy eny Ampamarinana, Gasy Misôva Behoriri­ka, Tara-pahazavana Andrai­so­ro, Fanja Anjanahary Misôva, Black Col­lection Andranomanalina, Fita­rikan­dro Tsiadana, Kintan’ny Alina Antohomadini­ka, sns. Tarika mivoy ny vakisôva eto Anta­nanarivo ireo, izay efa manana ny lazany. Nampaha­fan­­tarina omaly, tetsy amin’ny Kudeta, Carlton Anosy, fa anisan’ireo handray anjara amin’
ny hetsika “Festi-Sôva” andiany faha-7 ireo mpisôva ireo. Ny fikambanana Tanora mbola ho beazina (Tamboho­be) sy ny fikambanana Iara­han’ny rehetra misitraka (First) no miara-misalahy amin’ny fikarakarana ny hetsika.
Hizara amina fotoana telo ny hetsika amin’ity taona ity, ka hatao anio, eny amin’ny Kianja basket Ambodinisotry ny voalohany, manomboka amin’ny 1 ora tolakandro. Ankoatra ny fampisehoana ny vakisôva, hisy ihany koa ny fanentanana hataon’ireo mpikatroka kick boxing, mandritra izany. Amin’ny 16 no­vambra kosa ny fo­toan-dehibe faharoa, ao an-to­kotanin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina. Ha­nomboka amin’ny 9 ora maraina izany, mandra-paharivan’ny andro. Ankoatra an’ireo mpisôva, ho avy hanafana ny fotoana koa ny Sekoltora, ny Gasy Tafaray izay fikamba­nan’ireo rasta, ny Faribolana Sandratra ary ireo mpanao tantara fihaino. Iandraiki­tra ny fa­nentanana kosa i Slam Jah, 18,3. Mialoha izay anefa dia hisy ny alim-pikoranana izay hatao eny amin’ny akany Nam­binintsoa, ny sabotsy 2 novambra, iarahana amin’ny tarika Kiaka, Vilon’Androy ary ny Sôvan’Analamanga.
« Ady amin’ny herisetra sy ny fidorohana amin’ny zava-mahadomelina ». Izay ny lo­ha­hevitra voizina mandritra ny “Festi-Sôva” andiany faha-7. “Kolontsaina mila hasandratra ny sôva, ka adidinay fi­kamba­nana no manasongadina izany. Rehefa fotoan-dehibe eny anivon’ny fiarahamonina dia tokony tsy hisaraka amin’
ny sôva hatrany. Izahay koa mirona amin’ny fanabeazana ireo zandry sy zanaka, indrindra amin’ity zava-mahadomelina ity”, hoy Randriana­ri­velo Hasina, filohan’ny fi­kam­banana Tambohobe.

Zo ny Aina

Partager sur: