Fifindrana klioba : nalain’ny Enppi Club, Egypte, i Tendry

Nambaran’ny filohan’ny Disciples FC Vakinankaratra, Johny Rijaniaina, omaly, fa nalain’ny Enppi Club avy atsy Egypte ny lohalaharan’izy ireo, Randrianarijaona Tendry Mataniah. Maharitra taona iray eo ny fifanarahan’ny roa tonta ary azo havaozina izany. Tsara marihina fa mitana ny laharana fahasivy amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Egypte, diviziona voalohany, ny Enppi Club.
Klioba telo no nanaovan’i Tendry andrana tany an-toerana. Ankoatra ny Enppi Club, tao ihany koa ny Pyramids FC sy ny El Gouna. Ny El Gouna, nanaiky ny haka ity Malagasy lohalaharana ity saingy tsy nifanaraka ny roa tonta teo amin’ny fepetra napetraky ny klioba. Efa hanomboka tsy ho ela ny fifanin­tsanana any Egypte ka tsy afaka hiverina aty an-tanindrazana i Tendry, raha ny nambaran’ny lehiben’ny Disciples FC. Mijanona ho tsiambarantelo eo amin’ny klioba sy i Tendry kosa ny lelavola nanaovana ity fifindrana ity.
Efa nandalo tao amin’ny AC Sabnam, Tanà FC, Cnaps Sport ary Kinga Sport i Tendry.
Ankoatra izay, misy mpilalao roa vaovao nifindra ao amin’ ity klioba avy any Vakinankaratra ity dia i Donga, hirakiraka Fosa Juniors Boeny sy i Manda na i Bota, mpiandry haraton’ ny Ajesaia teo aloha. Miezaka mametraka ny rafitra matihanina tanteraka ny Disciples FC ankehitriny. Ao anatin’izany ny fisian’ireo ekipa zandriny sy ny sokajy vehivavy.


Fitia Randria 

Partager sur: