Fihaonambe ho an’ny hoavy : miray vina amin’ny fanatanterahana ireo fanamby ny fitondram-panjakana

Notanterahana, omaly, ny famerenana ny fihaonambe ho an’ny hoavy natao tany New York, ny 20 hatramin’ny 23 septambra teo. Teny amin’ny Foiben-toeran’ny minisiteran’ ny Raharaham-bahiny malagasy, teny Anosy, no natao izany. Nitarika ny fihaonana ny minisitry ny Rahara­ham-bahiny, Rasata Rafara­va­vitafika, notronin’ny mpandrindra mpisolo toerana eo anivon’ny Firenena mikambana, Josiane Yaguibou, sy ny masoivohon’i Alemana eto Madagasikara, Sem Olivier Knoerich. Nan­dray anjara mavitrika tamin’ izany ihany koa ireo tanora malagasy niatrika ny fihaonambe ho an’ny ho avy natao tany New York. Tanjon’izao fihaonana izao ny fijerena ny lahasa laharam-pahamehana ho an’i Mada­gasikara, indrindra ho an’ny tanora.
Fahombiazana ho an’i Madagasikara iny fihaonambe ho an’ny hoavy iny. Nahazo ako miabo i Madagasikara tao anatin’izany. Anisan’izany ny fandraisan’anjara mavitrik’ireo tanora tonga tany an-toerana, tamin’ny fitondrana ny feon’ny tanora malagasy amin’ny fanorenana hoavy mamiratra eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana lovainjafy, ny fandriampahalemana ary ny fitantanana maneran-tany. No­tsindrin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy ihany koa fa misy ireo fifanekena natao nandritra iny fihaonambe iny, izay mikendry ny hahatontosan’ireo vina avy amin’ny feon’ireo tanora nandray anjara. Mifanindry an-dalana amin’izany ny vina sy ny fanamby apetraky ny fitondram-panjakana amin’ny fanomezan-danja bebe kokoa ny maha olona sy ny fampandraisana anjara ny tanora.

Lin

Partager sur: