Filoha Rajoelina : “Hanova an’i Madagasikara isika”

Nisy ny fifanakalozan’ny delegasiona avy amin’ny andrimpanjakana any Émirats Arabo Mitambatra sy ny governemanta malagasy, omaly. “Hanova an’i Madagasikara isika”, hoy ny filoha Rajoelina.

“Hanova an’i Madaga­si­kara isika. Zava-dehibe izay. Manom­boka amin’ny minisitra izany. Eo koa ny mpitarika eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika”, hoy ny filoha Rajoelina Andry, omaly, teny Iavoloha. Nana­fatrafatra ireo minisitra izy, nandritra ny fanombohan’ny fifanakalozana traikefa sy fahaiza-manao amin’ireo iraky ny andrimpanjakana any Émirats Arabo Mitam­batra (UAE).

Nisongadina tamin’ny dinika fa manaporofo ny vahiny fa manam-piniavana hanohana ny fanovana an’i Mada­ga­sikara. Eo koa ny tantsoroka amin’ny haitao sy ny asa ary ny fanafainganana ny fanatanterahana tetikasa. Fanara­ra­o­tra ny fifanakalozana fahaiza-manao ho an’ny mpitarika fototra. Izay rahateo ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE), mifototra amin’ny fampandrosoana ny maha olona sy ny fitondrana tsara tantana.

Fahaiza-manao
Tanjona fototra amin’ny fihaonana ny fanakalozana hanatevenana ny fahaiza-manao amin’ny fampandrosoana ny andrimpanjakana, ohatra. Amin’ny fampiroboroboana ny fitantanana amin’ny fifanakalozana fahaiza-manao sy traikefa ary ny fiasana tsara. Eo koa ny fanaovana ho maoderina ny asan’ny governemanta. Miainga amin’ny fanavaozana ny haitao hahatomombana kokoa ny asam-panjakana. Lohahevitry ny fihaonana ny fahatsarana sy ny fahatomombanan’ny asa ary ny fahazoana mifaninana eo amin’ny governemanta. Miaraka amin’izany ny fanatanterahana ny vina. Raha nahomby tamin’ny asa i Dubaï, izay lasa renivohitry toekarena maneran-tany, no­ho ny vinan’ny mpitarika azy: ny filoha Mohammed ben Zayed Al-Nahyane. Eo koa ny fahaiza-manaon’ny mpitarika. “Olon-tokana tsy afa-kanova firenena iray”, hoy ny filoha.

R. Nd.

Partager sur: