Fondation Axian: mendrika ho tohanana ny akany Mikolo Fanantenana

Nitondra tolo-tanana ho an’ny akany Mikolo Fanante­nana, eny Ambohijanaka, ny Fondation Axian, omaly. Ho­raisina an-tanana ny hofan-tranon’ny akany mandritra ny taom-pianarana 2024-2025, hanamaivana ny vesatra. Ni­tondra vary 5 gony sy kojakojam-pianarana ho an’ny ankizy ihany koa izy ireo.
Akany mitaiza ankizy kamboty sy zanaky ny fianakavina tena sahirana eny Ambohija­naka sy ny manodidina ny Mi­ko­lo Fanantenana, ao amin’ny fokontany Anto­vontany, izay tantanin’ny tale Razanajatovo Rachelle.
Miahy tena ny akany ary ny tohana ataon’ireo malala-tanana no hanodinana ny asa fanabeazana ireo ankizy 45 ao an-toerana. Ankizy 3 taona ka ha­tramin’ny 5 taona ireo beazina ao. Fanokafana ny va­vahadin-tsaina mialoha ny hidirana any amin’ny EPP no tena hatao. Mi­ara-miasa amin’ny fokontany ny akany hijerena ireo ankizy kamboty sy tena sahirana.
Niorina ny taona 2019 ity toeram-pibeazana ity. Tokony hobeazina ny akizy madinika mba tsy hirenireny sy hotaizain’ny lalana fotsiny, hoy hatrany ny tale. Maimaimpoana ny fampianarana sy ny fitaovam-pianarana.
“Akany tena mila tohana amin’ny lafiny maro ny Mikolo Fanantenana”, hoy Razaka­ma­nantsoa Jessica, avy amin’ ny Fondation Axian, ary mbola vitsy ireo manao tantsoroka azy ka izany no antony nisafidianana ny akany. Tanjo­na ny hahafahan’ny ankizy manana taom-pianarana milamina sy mirindra.

Tatiana A

Partager sur: