Vinan’i Madagasikara ny hampakatra hatrany amin’ny 30% ny anjara entin’ny indostria ao amin’ny harinkarena faobe. « Lalana mitondra amin’izany ny fanomezan-danja
ireo loharanon-karena sy ny fanodinana eny ifotony hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Antony nanaovana ny tetikasa One district one factory, ahafahana mampisongadina ireo tombony mampiavaka ny faritra », hoy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, nandritra ny fikaonandohan’ny lafivalo momba ny politika indostrialy (MPIF) tany Riyad Arabie Saoudite, ny alarobia teo. Nizara traikefa sy nampahafantatra ireo dingana vitan’i Madagasikara amin’ny fampiroboroboana ny indostria ny tenany. Anisan’izany ny fanavaozana ny lalàna momba ny fampiasam-bola, ny lalàna momba ny orinasa kaoperativa. Teo ihany koa ny fanaovan-tsonia ny fifanekena momba ny fandaharanasa maharitra ho an’ny indostria ary ny fanohizana ny fanatsarana ny rijan-teny mifehy ny faritra sy orinasa afaka haba. Ao koa ny lalàna mahakasika ny fizaka-manana ara-indostria. Nahafahan’ireo firenena samihafa sy mpiara-miombon’antoka mifanakalo sy mifampizara ny politika ara-indostrialy ny MPIF.
Henintsoa H.