Nahazo 400 tapitrisa Ar : lehilahy iray nisandoka ho mpiara-mivavaka

Tsy mety fay mihitsy! Voasambotry ny polisy tao Mo­rombe, omaly, ny lehilahy iray nisandoka fa mpivavaka ao amin’ny fiangonana Rhema Itaosy saingy tonga tany Morom­be izy. Araka ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana, niangavy ny Pastoran’ny Fiangonana Rhema tao an-toerana izy fa tsy manana toerana hivantanana. Nilaza izy fa manana raharaham-pitsarana any Morombe ka izay rahateo no tena anton-diany. Amin’ny maha mpiara-mivavaka, tsy ni­sa­lasala ilay pasi­teran’ity fiangonana ity nandray azy. Nandritra ny fivahinianany tao anefa, nilaza fa manam-bola any amin’ny banky izy kanefa mbola tsy nivoaka io vola io raha tsy misy avance 2 tapitrisa Ar. Nitady io vola io tany amin’ilay pasitera izy. Somary nampiahiahy ity mpitondra fivavahana ity ny fihetsik’ity lehilahy milaza ho mpiara-mivavaka amin’izy ireo ity ka nampandre haingana ny mpitandro filaminana izy. Tonga haingana tao an-tranon’izy ireo ny mpitandro filaminana ka noraisim-potsiny ity lehilahy ity. Tao anatin’ny famotorana nataon’ny polisy no na­hafantarana fa efa nisoloky vola 400 tapitrisa Ar tamin’ny fiangonana Rhema Itaosy izy. Efa nisy taratasy famoahana filazana didy fikarohana rahateo momba azy.

CMS

Partager sur: