Naiditra am-ponja ao amin’ ny fonjaben’Ambalatavoahangy ireo jiolahy telo voarohirohy ho tompon’antoka tamin’
ny fanafihana narahina halatra tao amin’ny distrikan’i Toamasina II, ny alatsinainy lasa teo. Naman’ireo jiolahy fito maty voatifitry ny zandary nandritra ny fifanjevoana tao an-toerana izy telo lahy ireto saingy tafaporitsaka. Nanao hazalambo azy ireo ny zandary ka niafara tamin’izao fahatrarana azy ireo izao. Nanao tatitra izany tamin’ ny alalan’ny fihaonana tamin’
ny mpanao gazety ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimaria Atsinanana, omaly, ny lietnà-Kly Randrianirainy Pacome, izay nilaza fa mafimafy ny fifanjevoana tamin’ireo jiolahy satria alina rahateo ny andro. Noho ny fifanomezan-tanana teo amin’ny fokonolona sy ny zandary anefa, nahitam-bokany izany. Nomarihin’ity manamboninahitra ity fa 10 lahy ry zalahy no tonga nanafika ka nitondra basy vita tanana niaraka tamin’ny famaky ary antsibe. Vola mitontaly 1 200 000Ar no lasan’ireo mpanafika. Tafaverin’ny zandary kosa ny vola 257 500Ar. Lavanila milanja 2 kg efa voakarakara niaraka tamina entam-barotra hafa ihany koa no voaroba tamin’io fotoana io. Araka ny baiko nomen’ ny Tonian’ny fampanoavana eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina, i Vahiny Yvi Sandro, fa tsy maintsy atao hazalambo hatramin’ny farany ireo jiolahy nanafika tao Ampitarafana, kaominina Ambodilazana. Tohivakana ny nahatrarana azy telo lahy ireto tao Toamasina.
Sajo/J.C