Tontosa omaly, teny amin’ ny Cinepax Ambodivona, ny tafa sy velakevitra fampahafantarana ny horonantsarimihetsika « Disco Afrika: une histoire malgache ». Niatrika izany ny mpanatontosa sy mpamokatra ity horonantsary ity, notronin’ireo mpahay horonantsary sy mpanao gazety. Tanjona ao anatin’izany ny fampahafantarana ity « Disco Afrika: une histoire malgache” ity indrindra amin’izao fahatongavany eto Madagasikara izao. Hisy ny fandefasana azy ity amin’ireo efitrano fijerena horonantsary eto amintsika. Hahazo tombony manokana amin’izany Antananarivo sy Toamasina.
Horonantsary sy zavakanto feno tanteraka izy ity. Sady manabe no mampahafantatra, ankoatra ny maha fialamboly azy. I Luck Razanajaona no nanatontosa azy, niaraka tamin’ny fiaraha-miasa tamina mpahay horonantsary maro samihafa. Anisan’izany i Ludovic Randriamanatsoa, i Herizo Rabary ary ireo vahiny maro samihafa. Anisan’ny mampiavaka azy ity ny fahaizany maneho anatina zavakanto ny zava-misy eto Madagasikara, indrindra ny iainan’ny tanora. Mitondra lesona sy fampahatongavan-tsaina ho an’ny rehetra. Asongadina ao anatin’ny horonantsary ihany koa ny foto-kevitra “Panafricain” izay mikendry ny fanandratana an’i Afrika.
Hetsika sy fifaninanana maro manerana izao tontolo izao no efa nandraisan’ny « Disco Afrika: une histoire malgache » anjara. Maro ihany koa ny amboara efa azony tao anatin’izany. Aorian’izao fandalovany eto Madagasikara izao, hitohy any Afrika Andrefana ny dian’ity horonantsary manana ny maha izy azy ity.
Lin