Sokatra VERY tetsy Tsimbazaza : eo am-pelatanan’ny zandary ireo ahina

Efa eo am-pelatanana sy efa arahi-mason’ny zandarimariam-pirenena mpanao famotorana ireo olona nahiana sy voarohirohy tamin’ny halatra sokatra, Pyxisarachnoides sy Artrochelysradiata, miisa 10, tao amin’ny valan-javaboahary Tsimbazaza, ny alin’ny talata teo. Olona roa fara fahakeliny no fantatra fa efa voasambotra mahakasika izany. Niditra avy hatrany tamin’ny fikarohana sy fitondrana alika mpitsongo-dia izy ireo taorian’ny tranga. Ny fanadihadiana no nahafantarana ireo olona noahiahiana. Tsy mbola vita eo anefa ny fikarohana fa mbola hitohy hatrany ahafahana manenjika sy manasazy ireo nahavanon-doza tamin’izao halatra sy fandringanana ny harem-pirenena izao.
Ankoatra izay, mbola mitohy ny fanaraha-maso ataon’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, io valan-javaboahary io. Miara-misalahy amin’ny fitadiavam-bahaolana mahakasika izao raharaha izao ny avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny minisiteran’ny Tontolo iainana. Etsy an-kilany, miantso ny olona rehetra manam-baovao mahakasika ity tranga ity ihany koa ny zandarimariam-pirenena.

Mino

Partager sur: