SOMBIM-BAOVAO

Tafiditra ao anatin’ny «All Star» i Tantely sy Tiffany, nandritra ny fiofanana «Fiba Africa Regional Youth Camp», natao tany Abidjan, Côte d’Ivoire. Fiofanana ny 21 hatramin’ny 24 oktobra lasa teo, natokana ho an’ny mpilalao mendrika voafantina avy amin’ny firenena afrikanina 22 izy ity.
Mizara ny traikefany ho an’ireo judokas
malagasy, sokajy Minimes sy Cadets, Rasoanaivo Razafy Laura. Misy ny kotrana hiarahana aminy isaky ny alarobia sy sabotsy, ka lohahevitra ny alarobia 23 oktobra teo ny mahakasika ny “Kumikata en compétition”. Hitohy anio, eny amin’ny Dojo Esca, ny fanazarana omen’i Laura.
Ho fiatrehana ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila handraisana anjara amin’ny “Chan 2024”, hatao ny 27 oktobra ho avy izao ny fampivondronana voalohany, ho an’ ireo Malagasy mpilalao voafantina nandritra ny D2 Nasionaly sy ny “Pureplay Football League” (PFL). Tsiahivina fa Rakotondrabe Romuald Felix na ny Coach Rôrô no mpanazatra ny Barea amin’izany.
Nanapa-kevitra ny hijanona tsy hanohy intsony ny fiangaliana ny taranja MMA (Mixed Martial Arts), ny Malagasy mpikatroka, Razafiarisona Iony. Atleta malagasy milaravinahitra any Frantsa an-taonany maro izy izao nisafidy ny hijanona tsy heady izao intsony, rehefa naha­tsapa fa efa reraka ny vatany.

Partager sur: