Rivo-baovao ho an’ny tontolon’ny tsenan’ny mozika eto Madagasikara. Hanampy isa ireo trano mpamokatra fampisehoana sy rakikira eto Madagasikara ny Big Sound. Nisy ny fampahafantarana ny sehatrasa hironan’izy ireo, ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny Radisson Blu Ambodivona.
«I Wendy Catalina no mpanakanto entinay eo amin’ny sehatra iraim-pirenena voalohany. Fa miara-miasa amin’ireo mpanakanto miaka-daza sy ireo efa malaza anefa ny Big Studio», hoy ny nambaran’i Fidy Rabearisoa, tale jeneralin’ny Big Studio, Sady miandraikitra ny lafiny ara-javakanto.
Hatramin’izao, tarika sy tanora mpanakanto 4 no eo ambany fiahian’ny Big Studio. Mi-tsanta, tovovavy mpihira avy any Antsirabe. Sasouh, mpanakanto nandray anjara tamina fifaninanan-kira iray teto an-drenivohitra. Al Kerry, mpanakanto avy any Fort Dauphin, ary Yassik avy any Mahajanga.
«Anisan’ny nanomboka ny Big Studio i Big MJ, ary nianatra ny asa teto. Ankoatra ny fampisehoana, niitatra tamin’ny fandraisana an-tanàna ny mpanakanto manomboka any amin’ny fanombohany ka hatrany amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Mila rafitra feno sy mifameno amin’izany», hoy hatrany i Fidy Rabearisoa.
Efa manana ny trano fandraisam-peo ny Big Studio. Ho avy tsy ho ela ny fitaovana raitra sy ny fanamafisam-peo, raha ny fampahafantarana hatrany.
Zo ny Aina