Nidina ho eo amin’ny laharana fahatelo ny ekipam-pirenena Barea de Madagasikara, sokajy vehivavy, ny sabotsy lasa teo, nandritra ny andro faharoan’ny “Cosafa Women’s Cup”, izay atao any Afrika Atsimo. Resin’i Malawi, 1 no ho 0, i Madagasikara.
Sarotra ny ady ho an’ny Barea, vehivavy. Nilatsaka ho laharana fahatelon’ny vondrona “B” misy azy izy ireo, ny sabotsy lasa teo, resin’i Malawi 1 no ho 0. Fihaonana izay tafiditra amin’ny andro faharoa, fiadiana ny ho tompondakan’ny faritra atsimon’i Afrika, “Cosafa”, izay natao tao Gelvandale stadium de Port Elisabeth Afrika Atsimo. Manify ny fanantenana hiakaran’ny Barea eo amin’ny manasa-dalana satria izay voalohany ihany no miakatra eo amin’ny dingana manaraka.
Fepetra roa no mila tanteraka vao tafita amin’ny dingan’ny manasa-dalana ny Barea de Madagascar, vehivavy. Voalohany, mila mandresy ny ekipam-pirenen’i Botswana izy ireo, mandritra ny andro faran’ity fifaninanana ity, izay hotontosaina anio, ao amin’io kianja io ihany.
Faharoa, tsy maintsy mandresy na manao ady sahala amin’i Malawi ry zareo nosy rahavavy Maurice. Tsara marihina fa ny Club M Maurice, efa mihintsana fa tsy manana fanantenana ny hanao manasa-dalana intsony.
Nihatsara
Niezaka ihany ny vehivavy malagasy tamin’ity fifanandrinana natao ny sabotsy teo ity, saingy nahatafiditra baolina aloha loatra ny Malaoita. Fito minitra nanombohan’ny lalao, nahatafiditra baolina i Asimenye Simwaka, mpilalao Malawi. Nanao izay ho afany ihany ry Kanto sy ny namany nanenjika ny isa saingy tsy nahakobana ny haraton’ireo malaoita. Tsara ny mampahatsiahy fa tompondaka farany tamin’ny Cosafa farany teo, i Malawi. Azo lazaina fa efa manana traikefa be no ho i Madagasikara izy ireo. Mitana ny laharana voalohany moa i Botswana ao amin’ity sokajy ity, manana isa efatra, raha toa ka faharoa mitovy isa amin’ireo botsoaney koa ny ekipa malaoita. Manaraka azy kosa i Madagasikara, isa telo ary farany ny Club M Maurice, manana isa 0.
Fitia Randria