Efa zary fahazaran’ny sofina ny maheno fimenomenomana amin’ny resaka mpanazatra, kianja, fomba fitantanana, mpitsara, raha ny eto Madagasikara. Toa efa tsy mampiraika ny maro intsony fa hampidirina amin’ny sofina havia, avoaka amin’ny sofina havanana. Na izany aza, misy lesona azo raisina hatrany amin’ny trangan-javatra toy ireny.
Manaova toy ny vitsika, miasa tsara sady mavitrika. Mahavariana tokoa fa na kely toa inona aza ny vitsika, tsy mitsahatra ny mitady sy mikatsaka izay mahasoa ny tenany. Dia ho ambakan’izany ve ny atleta sy ny mpitantana fanatanjahantena malagasy. Miasa, mikely aina amin’ny ezaka atao hanatrarana ny tanjona. Aleo ny vokatra no hiresaka fa tsy ny vava. Ny tranom-pody mantsy no vitan’izany.
Etsy an-kilany, aza manao toy ny vitsika, rehefa mihaona dia mitakoritsika. Fomban’izy ireny tokoa rehefa mifanena no mifanoroka ka mitakoritsika kely aloha vao manohy ny lalany. Tsy tambo isaina, ireo «sportif» sy filohan’ny federasiona na ligy na prezidan’ny klioba, tia mi-«tatasiaka» rehefa tafaray. Lany andro amin’ny takoritsika fotsiny. Very fotoana amin’ny resaka tsy mampandroso, fa aleo manao toy ny vitsika, miasa tsara sady mavitrika.
Tsy misy fampandrosoana tontosa ao anatin’ny resa-be. Raha lava tokoa mantsy ny resaka, lainga no sisa ka aleo manao toy ny vitsika, miasa tsara sady mavitrika. Tsy ilaina eny ambony kianja ny takoritsika, ka aza manao toy ny vitsika, rehefa mihaona, mitakoritsika.
Na eo aza izany rehetra izany, raha mba manao ihany no tsy ambinina, tolory tana-manampy fa aza atao tsindrio fa lavo ka aleo manao toy ny vitsika nefa aza manao toy ny vitsika.
Tompondaka