Fampianarana teny anglisy : feno 50 taona ny Cnela Antsahabe

Ivontoerana nasionaly mampianatra ny teny anglisy ny Cnela. Manamarika ny faha-50 taona nampianarany izy ireo amin’ity taona ity. Ivontoeram-pampianarana eo ambany fiahian’ny minisite­ran’ny Fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa, ny Cnela, ary manana rantsana any amin’ny faritra.
Nanatanteraka loabary an-dasy niompana tamin’ny fandinihana ireo fomba vaovao enti-mampianatra ny teny anglisy ao anatin’ny taon-jato faha-21 izy ireo.
50 ireo mpandray anjara, izay nahitana solontena avy any amin’ny faritra ka hevi-dehibe efatra mifototra amin’ ny tontolon’ny fampianarana teny anglisy sy ny fampiasana ny teknolojia no nodinihina.
Teo ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana teny anglisy, amin’ny alalan’ny fo­mba fampianarana vaovao. Voaresaka ihany koa ireo olana sedrain’ny mpampianatra teny anglisy eto Ma­da­gasikara sy ny vahaolana mifandraika amin’izany.
Manana anjara toerana lehibe ny teny anglisy, na eo amin’ny sehatry ny asa, na eo amin’ny sehatry ny fikarohana. Fanomezana fampianarana teny anglisy manara-penitra ho an’ny vahoaka malagasy manerana an’i Madaga­si­kara sy any ivelany no fototra sy antom-pisian’ny Cnela.
Ivontoeram-pampianarana eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa ny Cnela ary manana rantsana any amin’ny faritra. Mampia­na­tra eny anivon’ireo orinasa ihany koa, ary manana mpianatra 5 000 isan-taona.

Tatiana A

Partager sur: