Fampianarana : vola 790 lavitrisa Ar hitazomana ireo vehivavy an-tsekoly

Ampirisihina hianatra ny ankizivavy ary hatao izay mahatamana azy sy ho tia fianarana. Hanompanana vola izy ireo mba tsy ialany an-daharana amin’ny fianarana fa hahatozo hatramin’ny farany.

Fantatra nandritra ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimi­eram­pirenena, ny faran’ny heri­nandro teo, fa vola mitentina 790 lavitrisa Ar no entina hitazonana an-tsekoly ireo zazavavy.
Volavolan-dalàna laharana faha-006/2024 no mamaritra ny andinindinin’izany. Hame­re­nana indrindra koa ireo ankizivavy efa niala an-daharana ary hampiakarana ny fari-pahalalan’ireo vehivavy, entiny miatrika ny hoavy amin’ny alalan’ny fanofanana arakasa.
Voakasik’izany avokoa ireo vehivavy 10 ka hatramin’ny 17 taona, sy ireo 18 ka hatramin’ ny 35 taona.
Hisy ny fampiroboroboana ny maha olona eo amin’ny lafiny fitazomana ny zazavavy any an-tsekoly sy fametrahana amin’ny toerana azo antoka ireo vehivavy tsy mianatra. Eo koa ny fanamorana fahazoana asa ho an’ny vehivavy sy fananganana fiarahamonina mahasoa ho an’ny fahaleovantenan’ny vehivavy. Ankoa­tra izany, ny fitantanana ny tetikasa.
Marolafy ny ezaka isitra­han’ireo vehivavy malagasy voakasik’ity tetikasa ity, araka ny fanazavana nentin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Dr Sahondrarimalala Marie Michelle, izay nandray anjara feno tao anatin’ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimierampirenena.
Mbola tarazo eto amintsika ny mankahery kokoa ny zanaka lahy hianatra ary mampandefitra ny ankizivavy amin’ny fianarana. Noho ny kolontsaina sy ny tsy fanomezan-danja ny vehivavy izany.
Amin’ny tanàn-dehibe ko­sa dia efa maro ireo ray aman-dreny tonga saina ka mampirisika hatrany ny zanany vavy hianatra sy ho tafita ary handray andraikitra amin’ny raharaham-pirenena aza.
Ho fampirisihana sy fanomezana toerana ny ankizivavy amin’ny sehatry ny fampianarana sy ny fanofanana arakasa no anton’ity tetikasa ity.

Tatiana A

Partager sur: