FANTINA sy FINTINA

Notanterahina nandritra ny fivoriana ho
an’ny komity nasionaly mitarika ny fandaharanasa Fampandrosoana ny tanàn-dehibe (Padeve), ahitana ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, niaraka tamin’ireo minisitera voakasika, ny famaranana ny lisitr’ireo fotodrafitrasa mila havaozina sy hamboarina ao anatin’ny faritra enina. Antsiranana, Fianarantsoa, Toliara, Antsirabe, Mahajanga sy Toamasina no voakasik’ity tetikasa lehibe ity.
Fanompoam-pivavahana teny amin’ny Cha­pelle Anatirova Manjakamiadana, omaly, no nanombohan’ny Kandidà, Harilala Ramanantsoa, izay nirotsaka hofidina ben’ny Tanànan’Antananarivo, ny «Pré-campagne» ho azy. «Fandresena ao anatin’ny finoana» io no lohahevitra anisan’ny nasongadina tao anatin’izany.
Nisy ny fidinana ifotony nataon’ny praiministra, Ntsay Christian, tamin’iny faritra Avaratry ny Nosy iny, ny faran’ny herinandro teo. Anisan’ny nojerena manokana tao anatin’izany ireo fotodrafitrasa ravan’ny rivodoza Gamane, ilaina fanarenana haingana, ho famorana sy fanatsarana ny fiainana andavanandron’ ny mponina. Anisan’izany ny digin’i Mantalia sy ny tohodrano manondraka ny lemak’i Mahavavy.
Masoivohon’i Madagasikara vaovao any Maroc, Rajobson Johary. Hisy ny fiaraha-miasa misimisy kokoa eo amin’ny Antenimierandoholona malagasy sy Maroc. Anisan’ny hisongadina manokana amin’izany ny lafiny diplomasia. Raha tsiahivina, mpikambana tao amin’ny kabinetran’ny filohan’ny Antenimieran­doholona ity masoivohon’i Madagasikara ity nialoha izao nanendrena azy izao.

Partager sur: