Tontosa ny 25 oktobra 2024, teny amin’ny foibem-pibaikoan’ny polisim-pirenena Anosy, ny dinika momba ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina eto Madagasikara.
Nandray anjara tamin’izany ny polisim-pirenena malagasy sy ny zandarimariam-pirenena. Dinika niarahana tamin’ny ambasady Amerikanina, tamin’ny alalan’ny International Narcotics and Law enforcement, notarihan’i Brian Morales. Nitarika ny delegasiona ho an’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka ny talen’ny kabinetra, ny commissaire divisionnaire de police, Razaka Andriamahasoa, notronin’ny Jly Ravoavy Zafisambatra avy ao amin’ny zandarimariam-pirenena. Natao ity dinika ity mba hanatsarana ny fomba fiasa momba ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina eto Madagasikara. Nisy koa ny fifampizarana traikefa eo amin’ny Amerikanina sy ny mpitandro filaminana mba hahafahana mitady vahaolana hatrany amin’izao ady amin’ny zava-mahadomelina izao.
J.C