Fokontany Ankazomborona : voinkava-mahatratra ho an’ireo traboina

Tonga nanao voinkava-mahatratra ny mponina any Ankazomborona, kaominina ambanivohitra Andranomavo, distrikan’i Soalala, ny mpikambana ao amin’ny governemanta.
Niharam-boina ny fokontany noho ny haintrano nandrava ny tanàna. Betsaka ny fatiantoka. Trano 400 no kilan’ny afo. Lasa lavenona ny entana sy ny vary rehetra. Tsy manan-kialofana ireo olona 750 amin’izao fotoana. Mitentina 100 tapitrisa Ar ny fahasimbana.
Nankahery ireo traboina, araka izany, ny minisitry ny Mponina sy ny ekipany.
7 andro miala avy ao Mahajanga no alaviran-dalana mankany amin’ity fokontany Ankazomborona ity. Botry, tracteur, moto ary sarety no fitaovam-pitaterana ampisaina ka nahafahana nitatitra ireo fitaovana isan-karazany avy amin’ny fitondram-panjakana natolotra ireo traboina.
Niainga avy tamin’ny tokantrano iray ny afo ary nandravarava ny tanàna. Nanamora ny fiparitahan’ny afo ny taotrano mifanakaiky sy tafo bozaka avokoa. Rindrina Bao (fômby na tsiaka) ihany koa no taharo. Noho ny fadin-tany amin’io toerana io no tsy anaovan’izy ireo rindrina tany na simenitra, araka ny fanamarihan’ny lehiben’ny fokontany any an-toerana.

Tatiana A

Partager sur: