Manampy betsaka ho fiarovana amin’ny aretina mitarazoka tsy mifindra ny fampiasam-batana. Anisan’ izany ny fiakaran’ny tosidra, ny diabeta… Nanatanteraka “randonnée” 8,3km ny mpiara-miasa eo anivon’ny fitaleavana misahana ny ady amin’ny aretina tsy mifindra (DLMNT), anio, ho fanombohan’ ny fanentanana ny tsirairay hampiasa vatana.
Mandray anjara amin’ny “Global Leadership Forum 2024” ny teratany Malagasy Rakotonirainy Tokiana. Anisan’ny mpisitraka ny vatsim-piofanana Humphrey moa izy. Mpiofana 142, samy manana ny maha izy azy, avy amin’ireo firenena mpandray anjara amin’ny fiofanana Humphrey no hivondrona mandritra io fihaonana io. Lohahevitra lehibe no hodinihina amin’izany.
Nahasarika olona maro ny fizaham-pahasalamana natao teny amin’ny tobim-pahasalamana izay tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny fetin’ny polisy monisipaly. 807 ireo olona tonga nanao fizaham-pahasalamana ary maimaimpoana izany. Naharitra 4 andro ny hetsika ary nifarana ny sabotsy teo.
Manodidina ny 20 ihany no manam-pahaizana mpitsabo hoditra misoratra anarana sy ankatoavin’ny Holafitry ny mpitsabo sy ny Somader manerana an’i Madagasikara. Saro-pady ny fahasalaman’ny hoditra ka mila tandremana ny karazana hosotrosotra, indrindra amin’ny tarehy.