Renim-pianakaviana iray namoy ny ainy, main’ny herinaratra, vokatry ny fisiana andrin-jiro nianjera tamin’ny tany teny Atsimondrano, ny sabotsy tolakandro teo. Tandrevaka tanteraka no niteraka ny loza.
Maty tsy tra-drano main’ny herinaratra mahatratra 350 volt ny renim-pianakaviana 30 taona teny amin’ny fokontany Anjanamanoro, kaominina Alatsinainy Ambazaha, distrikan’Atsimondrano, ny tolakandron’ny sabotsy teo, tamin’ny 3 ora. “Efa tapaka andro vitsy lasa io andrin-jiro io noho izy efa loa”, hoy ny fanazavan’ny iray amin’ireo mponina eny an-toerana. Nandefa taratasy fampahafantarana ho an’ny tomponandraikitra misahana ny herinaratra ny kaominina saingy tsy nahitam-baliny izany. “Hampitanay amin’ny lehibenay izany: io no valin-teny azo”, hoy ny solontenan’ny fokonolona eny an-toerana. Namerina nametraka taratasy ho fisintoman-dakolosy manoloana io fisiana andrin-jiro midaraboka amin’ny tany amin’ny lalam-bahoaka io, ny fokontany Anjanamanoro, ny zoma lasa teo. Nilaza ho tonga hijery ny zava-misy ny tomponandraikitra. Nitera-doza anefa io andrin-jiro io, ny sabotsy.
Hamangy ny anadahiny
Mpiavy eto an-dRenivohitra ity main’ny herinaratra ity. Avy any Manakara izy. “Hamangy ny anadahiny izay monina ety izy”, hoy ny fanamafisan’ny loharanom-baovao avy eny an-toerana. Tsy nanampo na inona na inona, nentin’ny tsy fahafantarana, araka izany, ity ramatoa ity. Nandalo ny lalam-bahoaka toy ny mahazatra azy izy. Nifampikasoka tampoka tamin’ilay andrin-jiro ny tenany ka nitarika ny fahavoazany. Kila tanteraka ny tongony sy ny tanany. Namoy ny ainy minitra vitsy taorian’ny fahavoazany izy.
Tsiferana R.