Vao vita ny seho, nihazo ny seranam-piaramanidina avy hatrany i Lalatiana. Feno fihetseham-po tanteraka ny seho izay notontosainy tetsy amin’ny Tanàna Zoari Ilafy, omaly alahady. Nentiny nanaovam-beloma vetivety ireo mpankafy eto an-tanindrazana mantsy izany, no namaliana ny fangatahan’ireo tsy nahita na mbola tsy afapo tamin’ny seho tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina.
Nanome ny lokon’ny seho ny «Lalatiana blues», narahin’ny «Masoandron’ny fitia” avy hatrany, izay hira anisan’ny be mpankafy rahateo. Niova kely noho ny tamin’ny seho voalohany ny nandaharan’i Lalatiana sy ireo mpitendry nanaraka azy ny hira nosafidiana. Na izany aza, tsy nisy latsaka ireo hira be mpankafy, toy ny «Morondrano», «Lasalasa ambiroa», «Alina», sns.
Fa ny tena be mpiandry indrindra dia ny fampiaraham-peon’i Ken sy Lalatiana. Ankoatra ny «Nofy» izay efa natao tamin’ny seho voalohany, naverin’i Ken ihany koa ny «Tsiaro anao». Miandry ny fandalovan’i Lalatiana manaraka indray.
Zo ny Aina