Mialoha ny fampielezan-kevitra : azo atao ny manangona olona hanohana kandidà

“Ny mampahafantatra ny tenany sy ny vinan’asany no azon’ireo mpirotsa-kofidina atao amin’izao, ary manangona olona hanohana azy ireo. Manao ny fombafomba rehetra hananganany ny ekipany hahazoany mandeha amin’ny fampielezan-kevitra izy ireo amin’izany. Tsy voarara izay”. Io ny fanazavan’ny sekretera mpanatanteraky ny Ceni, Rakotondrasoa Tseheno, teny Alarobia, tamin’ny faran’ny herinandro teo, ny amin’izay azo atao na tsia amin’izao mialoha ny fampielezan-kevitra izao. Tsy azo atao ny manaparitaka ny drafi-tsarina biletà tokana, izay mety ho azon’ny kandidà na hozaraina amin’izy ireo any amin’ny Ceni ka manisy vokovoko na itenenan’izy ireo hoe asio vokovoko na marika amin’ny sary misy azy ireo.
Manjavozavo ny amin’ny fotoana mialoha ny fampielezan-kevitra. Satria rehefa dinihina ireo mpirotsa-kofidina izay efa nivoaka lisitra ofisialy dia samy manao izay fomba ampahafantarany ny tenany sy ny fandaharanasany ny tsirairay eny anivon’ny fiarahamonina. Tsy ifanomezan-tsiny izay. Ny tena tsy mety ny mialoha ny 19 novambra hanombohan’ny fampielezan-kevitra: raha misy manao fanentanana hifidianana azy, mampiasa ny teny hoe “fidio aho” na mampiasa dokambarotra amin’ny haino aman-jery na tranokalam-pifandraisana na tambajotran-tserasera manentana ny mpifidy hifidy azy.
Tokony ho efa nametra-pialana avokoa ireo ben’ny Tanàna izay efa kandidà, araka ny lisitra ofisialy. Efa miverina olom-pirenena tsotra izy ireo, ary kandidà hofidina, tsy manana fahefana

R. Nd.

Partager sur: