Safidy: “Mila hazavaina ny fakana didy hitsivolana”

Mbola afaka maka didim-pitsarana ny olona tsy anaty lisi-pifidianana mba hahafahany mifidy. Tokony hisy ny fanazavana misimisy kokoa hisorohana ny tsy fifankahazoan-kevitra.

“Mila hazavaina tsara ny amin’ny fakana didy hitsivolana”, hoy ny mpitondra tenin’ny Sampana anaraha-maso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy), Razanamahefa Désirée Marie Stella, teny Ambatonakanga, tamin’ny faran’ny herinandro teo, ny amin’ny fakana didy hitsivolana hahazoana misoratra amin’ny lisi-pifidianana. Misy ny fifampiahiahiana ny hoe: angaha hanao fanavaozana tanteraka sa fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana? Nefa tsy izay no atao, fa ireo ampahan’olona tsy tafiditra ao anatin’ny lisi-pifidianana ihany no maka didy hitsivolana. Tsy mahazo mangataka izany, ohatra, izay vao feno 18 taona taorian’ny 15 mey 2024. Raha talohan’ny 15 mey izy no feno 18 taona ka tsy tafiditra ao anaty lisitra ary nahazo fanamarinan’ny Ivontoerana teknika eny anivon’ny distrika (Cid) vao mahazo mangataka izany. Efa mametra ny lalàna fa tsy mihoatra ny 700 ny mpifidy amin’ny biraom-pifidianana iray. Raha 695, ohatra, ny mpifidy amin’ny biraom-pifidianana iray ka 20 ny vao misoratra anarana amin’ny alalan’ny didy hitsivolana, mampiova ny isan’ny biraom-pifidianana izay: tsy maintsy mamorona biraom-pifidianana vaovao ny Ceni.
Miasa avy hatrany amin’ny faritra efatra ireo mpanara-maso fifidianana Safidy, izay nahazo fiofanana teny Am­batonakanga: Analamanga, Bongolava, Itasy, Alaotra Mangoro. Miezaka manatsara hatrany ny fomba fiasany ny Safidy amin’izany fanaraha-maso fifidianana izany. Misy, ohatra, ny taratasy fanaraha-maso omena ny mpikambana. Hizara vaovao ara-potoana avy hatrany koa izy ireo, fa tsy miandry ny fe-potoana omen’ny foibe intsony vao mandefa izany.

R. Nd.

Partager sur: