Hihemotra amin’ny fotoana tsy voafaritra ny fifaninanam-pirenena taranja baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL)”. Raha ny fanazavana azo tamin’ireo tomponandraikitra, ny zoma ho avy izao no hivory ny klioba rehetra mandray anjara, ary hodinihina eo ihany koa ny firafitry ny fifanintsanana.
Hofantatra anio, any Paris, ny anaran’ny
mpilalao handrombaka ny baolina volamena na “Ballon d’Or”. Raha ny fikarohana natao, miady io toerana io i Jude Bellingham, anglisy sy i Vinicus Junior,
brezilianina, izay samy mpilalaon’ny Real Madrid Espagne. Hivantana amin’ny TVM moa izany raha tsy misy ny fiovana.
Nomontsanin’ny Fc Barcelone tamin’ny isa 4 no ho 0, ny ekipan’ny Real Madrid, ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny Kianja Santiago Bernabeu Madrid Espagne. Lalao izay tafiditra amin’ny andro faha-11, fiadiana ny ho tompondakan’i Espagne “La Liga”. Lasa laharana voalohany, araka izany, ny Fc Barcelone.