“Eto ry Lala…”, namelombelona ny fahiny. Nankafy ireo mpiondana ny hiran’ny omaly, tetsy amin’ny Havoria Anosy, omaly. Nomena aina vao ireo hiran’i Therack, novelomin’ny tarika Voamaintilany, Voara, Avelo Nidor ary Ratsifa.
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny
amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka, ny hetsika nokarakarain’ireo mpankafy gadona Rock metaly. Fampisehoana niarahana tamin’ireo tarika mpiangaly izany gadona izany sy fampirantiana ireo kodiaran-droa mampiavaka ny mpankafy ity gadona ity no nandravaka ny hetsika.
Notanterahina teny amin’ny CGM Analakely ny fampisehoana an-tsehatra ny «Embana». Ankoatra ny seho an-tsehatra nolaroana tononkalo nataon’ireo mpandray anjara, fotoan-dehibe ho an’ireo mpankafy ny mpanoratra nandray anjara, ihany koa izy ity satria afaka nitafa tamin’ny mpanoratra mivantana izy ireo.
Nisokatra ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny AFT Andavamamba ny «Festival Thrillers». Velakevitra niarahana tamin’ny mpanakanto mpiangaly ny tantara an’onjampeo no nanokafana izany. Anisan’izany i Aloka Tefison sy i Synèse Ranarison. Tao anatin’izany no niresahina ny mahakasika ny fanatontosana tantara an’onjampeo, indrindra ireo sokajiana ho mampatahotra.