Tarika Rossy : tontosa ny seho nandritra ny telo andro

Nifarana omaly, teny amin’ ny Kianjan’ny Kanto Maha­ma­sina, ny fampisehoan’ny tarika Rossy. Fampisehoana natao nandritra ny telo andro, na­nomboka ny zoma 25 oktobra 2024 hatramin’ny omaly. Tan­jon’ny fampisehoana ny fampahafantarana ny rakikiran’ny tarika, izay azo jifaina eo anivon’ny Moozik. Tonga maro niaraka nitapolaka tamin’ny tarika Rossy ny mpankafy azy. Seho goavana rahateo no natolotry ny tarika ho an’ireo mpankafy.
«Zoma manifika», «Sabo­tsy mifankahita» ary «Alaha­din’ny fianakaviana» no nentin’ ny tarika Rossy nanome fahafaham-po ireo mpankafy azy. Tonga maro nihanoka izany ny mpankafy ny tarika ny alin’ny zoma sy ny andron’ny alahady, raha somary vitsy kosa no niatrika ny fampisehoana ny alin’ny sabotsy. Hira sy gadona maroloko no nokaloina nandritra ireo telo andro ireo. Anisan’izany ny hira mihetsiketsika nahafantarana ny tarika hatramin’izay. Teo ihany koa anefa ireo hira milamindamina sy hira fiderana. Ankoa­tra izay, anisan’ny nanome endrika ny seho ihany koa ny fiakarana an-tsehatr’ireo handimby an’i Rossy, araka ny nambarany. Anisan’izany i Tinoh sy Jarina, Malagasy tanora tena mana-talenta, izay nandresy nandritra ny fifaninanana nokarakarain’ny tarika.

Lin

Partager sur: