Tontolo iainana : misy tetikasa hiarovana ny alan’Ankarafantsika

Anisan’ny valanjavaboahary marefo ny ala maina an’Ankarafantsika. Misy ny tetikasa hiarovana azy, iarahan’ny mpiara-miombon’antoka eto an-toerana sy iraisam-pirenena.

Nampahafantarina ny 23 oktobra teo ny tetikasa «Ala maiky Ankarafan­tsika», entina hanamafisana ny fiarovana ny alan’Anka­ra­fantsika, tantanin’ny Mada­gas­car National Parks (MNP). Famatsiam-bola manokana avy amin’ny Tahirim-bola ho an’ny faritra arovana sy ny ka­ra­zan-javamananaina eto Ma­da­gasikara (FAPBM), ny Ban­ky alemà ho an’ny fampandrosoana KFW sy ny ONG Ame­ri­kana Conservation Al­li­an­ce ary ny Fondation Hempel.
Hitondra vahaolana maharitra hiarovana azy ny tetikasa «Ala maiky Ankarafantsika», ifandrombonan’ireo mpiara-miombon’antoka maro ireo. Anisan’ny hifantohan’ny tetikasa ny hanamafisana ny fiarovana ny ala maina Anka­ra­fantsika, amin’ny fitantanana sy ny ady amin’ny doro ala sy tanety. Hotohanana ny fametrahana sy ny fampiharana ny Dina. Eo koa ny famerenana ny ala sy ny tontolo amin’ny laoniny. Hisy ny fampiroboroboana ny fizahantany ara-tontolo iainana. Tohanana ny velon-tenan’ny mponina. Tan­jona ny hanafoanana tanteraka ny fandripahana ny ala any an-toerana amin’ny taona 2027, faharetan’ny tetikasa.

Toerana manan-danja
Manana ny lanjany ny Va­lan­javaboahary Ankarafantsi­ka. Tafiditra ao anatin’ny Va­ko­ka iraisam-pirenen’ny Unesco amin’ny maha ala maina azy. Voasokajy anatin’ny Faritra man­do Ramsar, noho ny fisian’ ny farihy manankasina Ravelobe, sady fonenan’ny karazam-borona sy trondro tsy fahita firy maro.
Amin’ny lafiny toekarena, loharano manondraka ny tanimbary any Marovoay, anisan’ny sompitr’i Mada­ga­si­ka­ra, ny ao Ankarafantsika. Eo koa ny lafiny kolontsaina, satria maro ny toerana manana ny hasiny any an-toerana. Tandindomin-doza anefa ity ala maina ity, satria miha mirongatra ny doro ala sy tanety ataon’ny mponina, nahatonga ity tetikasa ity.

Njaka Andriantefiarinesy

 

Partager sur: