Tsy zoviana amin’ny rehetra intsony ny Tropy Jeannette, raha eo amin’ny tontolon’ny teatra. Mbola nasehon’izy ireo hatrany izany maha izy azy izany nandritra ny seho nataony omaly.
Notanterahina omaly, teny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba ny seho «… io no tarik’ Andriatinarivo” notontosain’ny Tropy Jeannette. Hira samihafa no nentin’izy 15 mianadahy mianaka, mpikambana eo anivon’ny tropy nanomezana fahafaham-po ny mpankafy azy ireo tonga maro niatrika izany fampisehoana izany. Ny hira novetsoina nandritra ny fampisehoana dia izay notsongaina avy amin’ny piesy teatralin’ny tropy ihany. Marihina fa iny fampisehoana iny no nentina nanamarihana ny faha-95 taonan’ny tropy. Tanjona ny fampahafantarana sy fampitana ireo hira teatraly amin’ny tanora aty aoriana, indrindra ireo noforonin’Andrianary Ratianarivo.
Fampisehoana hira teatraly ranoiray no nentina nanamarihana izany, teny amin’ny Aft Andavamamba, omaly. Anisan’ny nanakoako teny an-toerana, ny «Bakobako rrroa» tao anatiny koa «Ny Voromailala». Nozaraina telo ny fampisehoana. Ny tapany voalohany, nikaloina ireo hira teatraly mivetso embona sy fahatsiarovana. Ny fizarana faharoa, nahitana ireo hira teatraly milaza ny fiainana andavanandro. Ny mahakasika ny fitiavana kosa no hita nandritra ny fizarana fahatelo. Tao anatin’ny fahaiza-manao, matihanina, tanteraka no nanatanterahan’izy ireo ny fampisehoana. Niteraka fahafinaretana ho azy ho an’ireo mpijery sy mpankafy tonga teny an-toerana izany, hany ka na dia nisy aza ny tsy fahatomombanana madinidinika dia noraisin’ireo mpijery an-kafaliana.
Tropy efa tena manana ny toerany ny Tropy Jeannette, raha ny eto Madagasikara, indrindra eo amin’ny tontolon’ny teatra malagasy. Manaraka ny fivoarana ihany koa anefa izy ireo. Anisan’izany ny fisian’ny tanora mpikambana mandrafitra ny tarika. Tsy very fa mitoetra hatrany nefa ny maha izy azy ny Tropy.
Lin