Zazavavy voatery naiditra hopitaly: nidoboka am-ponja ilay renikely namono azy

Niakatra fitsarana, naiditra any am-ponja, nahazo sazy mihatra herintaona, ilay vehivavy nidaroka ny zana-badiny tao Soahatsiadino, Fianarantsoa, ny zoma 25 oktobra teo. Nodarodarohan’ny renikeliny noho ny fisiana vola very tao an-trano ny zazavavy iray tao Fianarantsoa, ny 11 oktobra lasa teo. Niara-nipetraka amin’io sakaizan-drainy io ilay zaza. Nitrangana fahaverezam-bola anefa tao an-trano. Noton­droin’io renikeliny io fa ity zana-badiny ity no nangalatra ilay vola. Nidiny tao an-trano, nodarodarohany, ilay zaza. Tsy afa-nivoaka, niantso vonjy tamin’ny manodidina ny lasibatra. Ren’ireo mpiray vodirindrina io tranga io ka nanaitra azy ireo. Tsy nisy niaro rahateo ilay zaza tamin’ny fotoana nidarohan’ilay renikeliny azy. Ny rainy izay tsy tao an-tokantrano, tamin’io fotoana nitrangan’ny vono io. Nahita hirika nivoahana ny trano ilay zaza ka niafina tamin’ny olona manodidina. Naratra noho ny daroka nihatra taminy io zaza io. Nentin’ny tsara sitrapo namonjy toeram-pitsaboana ka naiditra tao amin’ny hopitaly Andrainjato avy hatrany. Nanao sarotra ny famonjena ny ainy raha toa ka nisy fahatarana. Araka ny loharanom-baovao, efa fanaon’io renikeliny io ny mampijaly ity zana-badiny ity. Nisy fotoana efa nofatorany tao an-trano io zaza io, raha ny fitantaran’ny mpiray vodirindrina izay nanavotra ilay zaza. Ankoatra io vehivavy nahavanon-doza io, lehilahy iray hafa koa nosamborin’ny polisy niaraka taminy.

Tsiferana R.

Partager sur: