Tontosa omaly, teny Andoharanofotsy, ny fivoriana mahakasika ny tohin’ny fifaninanana “Grand Tournoi Antananarivo (GTA)”. Tapaka ary fa hatao ny sabotsy sy alahady ho avy izao, etsy amin’ ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha, ny ampahefa-dalan’ny fifanintsanana. Anisan’ireo fifanandrinana tena andrasan’ny maro, ny lalao hihaonan’ny AS Fanalamanga sy ny Avenir Ste Anne. Fihaonana izay hatao ny sabotsy ho avy izao.
Tsara marihina fa ny klioban’ny AS Fanalamanga, mifanintsana amin’ny «Pureplay Football League (PFL)» ary efa tompondaka lefitra, ny taona 2023. Ny AS Avenir Ste Anne kosa, klioba iray vao niakatra ao amin’ity fifaninanam-pirenena PFL ity ary voahosotra ho tompondakan’ny D2 Nasionaly farany teo.
Raha ny vaovao voaray, tsy mbola nahazo kianja tao amin’ny Elgeco Plus By-pass, ny mpikarakara ny fifanintsanana ny GTA ka voatery hatao eny Iavoloha ihany ity ampahefa-dalana ity. Nohamafisin-dRakotoarimanana Henintsoa, na Maire Tôta, filoha mpikarakara ny GTA, omaly, fa hotolorana lelavola 20 tapitrisa Ariary izay voalohany amin’ity GTA andiany faharoa ity.
Fitia Randria
Ireo fandaharan-dalaon’ny ampahefa-dalana:
Kianja CFFA Iavoloha :
Sabotsy 2/11/2024
12 ora : Ajesaia vs FC Valence
2 ora : AS Fanalamanga vs Avenir Ste Anne
Alahady :
12 ora : AS Ste Anne Espoir vs Cosfa
2 ora : CFFA vs Disciples Espoir
Firafitry ny manasa-dalana
“Izay tafavoaka amin’ny AS Fanalamanga sy Avenir Ste Anne no manao manasa-dalana amin’ny CFFA na ny Disciples Espoir. Ary izay tafita amin’ny Ajesaia sy ny FC Valence no hifandona amin’ny AS Ste Anne Espoir sy ny Cosfa”.