Aretin-koditra lagaly : mila mitsabo tena ny iray trano

Areti-mifindra sy miitatra saingy azo tsaboina ny lagaly. Tsy maintsy miara-mitsabo tena ny mpianakavy raha vao misy marary.

Nitondra fanazavana ma­hakasika ny aretina la­galy ny dokotera Raha­rimanana Zo, ao amin’ny CHUSSPA. Areti-mifindra ny lagaly. Vokatry ny fifampikasohana akaiky tamina olona efa misy lagaly no ifindrany. Olona miara-matory, miara-mipetraka, na nampiasa ny lamba fitafiany na ny firakotra.

Ao anatin’ny 3 herinandro, mety tsy hisy fisehoan’aretina mihitsy, mety haharitra 3 volana aza ny tsy fisiana soritr’aretina. Efa mamindra anefa na tsy mbola misy fambara aza. Mangidihidy be rehefa amin’ny hariva matory. Misy faritra vitsivitsy eny anelanelan’ny rantsan-tanana, kibo, nono ho an’ny vehivavy, ary amin’ny taovam-pananahana ho an’ny lehilahy. Tsy voa kosa ny tarehy.

Raha tsy misy fitsaboana dia miitatra ny faritra mangidihidy, miova hatramin’ny endriky ny hoditra. Mety lasa hatevina be ny hoditra, misy tsiranoka, toy ny hazaka, hoy ny olona. Mety hisy nana be mihitsy rehefa tsy tsaboina.

Bibikely tsy hita maso no mahatonga azy, antsoina hoe « sarcoptes scabiei ».
Fanafody ahosotra amin’ny vatana manontolo no fitsaboana ny lagaly. Miara-tsaboina daholo ny olona miray trano na tsy misy fambara aza ny hafa. Diovina tsara ny ao an-trano, ny lamba firakotra sy ny fitafiana. Sasana amin’ny rano mamay…Hidina ao anaty sachet tsy ho tafiditry ny rivotra mandritra ny tapa-bolana ny akanjo mora simba tsy mahazaka rano mafana.
Ny fahadiovana no fisorohana mahomby indrindra.

Tatiana A

Partager sur: