EPP Fitroafana Talatamaty: nisitraka dabilio vita amin’ny fako plastika voahodina

Ao anatin’ny fandraisana andraikitra ara-tsosialy (RSE) sy ho fikajiana ny tontolo iainana ary ho fanatsarana ny sehatry ny fanabeazana, na­nolotra dabilio vita amin’ny fako plastika voahodina ho an’ny EPP Fitroafana Tala­tamaty, ny sabotsy teo, ny orinasa E-Toile, mpiara- miasa amin’ny vondrona Belge alsico sy ny Andao Company. Tanjona ny hanova ny fako plastika ho fanaka an-tsekoly lovain-jafy sy hanohanana ny fanabeazana ny ankizy. Ma­teza sy maharitra ireo dabilio vaovao ireo raha oharina amin’ireo vita amin’ny hazo sady manabe ny ankizy hahay hikajy ny tontolo iainana. Ham­pianatra azy ireo hanodina ny fako plastika ho akora azo ampiasaina sy ho loharanon-karena ihany koa ny tetikasa. Nisitraka izao fampitaovana izao ny efitrano fianarana miisa telo eo anivon’ny sekoly. Nahavitana dabilio 30 isa ho an’ireo mpianatra ao amin’ny ambaratonga fototra sy dabilio 8 sy seza 16 ho an’ireo kilonga ao amin’ny garabola ireo fako plastika voahodina milanja 948 kilao. Ankoatra izay, nanolotra fitaovana ho an’ireo mpianatra sahirana ihany koa ny mpitantana ny orinasa E-Toile, Bernard Iserentant. Nilaza izy fa « mifanaraka tanteraka amin’ny fandraisana andraikitra ara-tsosialin’ny orinasa, amin’ny alalan’ny fanohanana ny EPP Fitroafana, izao hetsika izao hanatsarana ny fanabeazana ny mpianatra ». Havaozina isan-taona ny hetsika, ka tanjona ny hampitaovana ny EPP Fitroafana amin’ny alalan’ny fako plastika voahodina.

Henintsoa H.

Partager sur: