Etazonia : manohana ny fizarana lay misy odimoka

Hiaro olona amin’ny aretina tazomoka maherin’ny 28 tapitrisa ny vinan’ny filoha amerikana. Nanomboka ny 26 oktobra lasa teo ny ady atao amin’ny tazomoka, vatsian’ny governemanta amerikana vo­la. Tohanana, mandritra izany, ny fizarana lay misy odimoka 2,9 tapitrisa isa ho an’ny eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny hetsika ny fizarana lay misy odimoka faobe. Tohana avy amin’i Etazonia ny lay 14,9 tapitrisa isa. Ha­nome ny 12 tapitrisa fanampiny kosa ny Fonds mondial miady amin’ny Sida. Hama­fisina, araka izany, ny fepetra fiarovana rehetra atao amin’ny mponina eto Madagasikara. Amin’ny alalan’ny fizarana lay misy odimoka, ny famendrahana ranom-panafody mamono moka, fanomezana fanafody fisorohana odimoka an’ireo vehivavy bevohoka, ny fanaovana fitiliana ary ny fanaraha-maso ny fitsaboana mahomby.

Hihena 25 % ny trangana tazomoka

Afaka mampihena hatramin’ny 25 % ny tahan’ny trangana tazomoka ary miaro ny olona amin’ny aretina ny fampiasana araka ny tokony ho izy ny lay. Manentana ny olona ihany koa ny avy amin’ny minisiteran’ny Fahasala­mam-bahoaka mba hampiasa ny lay araka ny toromarika nomena rehetra. Tanjona ny hahafahana miaro ny vahoaka amin’ny aretina.

Mino

Partager sur: