Hampiroborobo ny toekarena sy ny fandraharahana aty amin’ny ranomasimbe Indianina ny fiaraha-miasan’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria France-Madagascar (CCIFM) sy ny Carrefour des entrepreneurs.
Hitondra tombontsoa betsaka eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana ny fiaraha-miasa. Hanampy amin’ny fampiroboroboana ny toekarem-pirenena sy ny fifanakalozana koa izany satria samy aty amin’ny ranomasimbe Indianina avokoa ireo mpisehatra. Tombony manokana ny fifanakalozana eo amin’ny Nosy malagasy sy ny manodidina, fa indrindra ny fampiasam-bola ary ny sehatry ny fandraharahana izay mifototra amin’ny fampiroboroboana ny fahafahana ara-barotra eo amin’ny samy mpikambana. Hanampy koa ny fifanakalozana eo amin’ireo orinasa eto amin’ny Nosy manodidina sy hanohanana ireo fampiasam-bolan’ireo mpikambana ny fiaraha-miasa. Ankoatra izay, tosika ho an’ireo mpikambana ny fandraisana anjara amin’ireo hetsika ara-toekarena iraisam-pirenena hanohana ny filany.
Tohana
Vita sonia, ny alarobia teo, ny fiaraha-miasa eo amin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria Fance-Madagascar (CCIFM) sy ny Carrefour des entrepreneurs de l’océan Indien. Hiara-kiasa mandritra ny roa taona ny roa tonta ho fampiroboroboana ny toekarena sy hanohanana ny fandraharahana eto amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina. Nanao sonia izany, teny Anosy, ny filohan’ny CCIFM, Raharinosy Johanne, sy ny filohan’ny Carrefour des entrepreneurs de l’océan Indien, Xavier Desplanques. Nanatrika izany koa ireo tomponandraiki-panjakana samihafa.
Marihina fa miisa 35 000 ireo orinasa mpikambana ao amin’ny CCIFM. Nisehatra nandritra ny 20 taona ho an’ny fampiroboroboana ny toekarena sy ny fandraharaha eto Madagasikara ny fikambanana. Vovonana niforona ny taona 2000 sy nanampy ho an’ny fifanakolazana aty amin’ny ranomasimbe Indianina kosa ny le Carrefour des entrepreneurs de l’océan Indien.
Henintsoa Hani