Fanjifana solika : nampiasa 797 105 m3 ny Malagasy tanatin’ny valo volana

Vinavinaina hitotaly hatrany amin’ny 1 245 618 m3 ny solika hojifaina manerana ny Nosy ho an’ny taona 2024 raha toa ka 797 105 m3 ny solika lafo tao anatin’ny valo volana voalohan’ny taona.

Mitotaly hatrany amin’ny 797 105 m3 ny solika lafo manerana ny Nosy, tao anatin’ny valo volana voalohan’ny taona 2024, araka ny tatitra navoakan’ny Ofisy malagasy momba ny akoranafo (OMH), ny alakamisy teo. Mitotaly 612 512 m3 kosa ny fanjifana ny lasantsy, ny pétrole ary ny gazoala, nandritra io vanim-potoana io. Vinavinainy fa 448 513 m3 ny fanjifana ny solika ho an’ny efa-bolan’ny faran’ny taona. Izany hoe, hitotaly hatrany 1 245 618 m3 ny fandaniana mandritra ny taona 2024, araka ny tarehimarika navoakany. Noho izany, mety hiakatra 3,4% ny fanjifan’i Mada­ga­sikara ny solika eo amin’ny tsena.
Nivoitra manokana tao anatin’ny fanadihadiana nataony fa manodidina ny 953 226 m3 ny solika hojifaina amin’ireo totalim-bokatra nataony. Manampy izany koa ny solika mavesatra izay hahatratra 186 975 m3, ny «essence aviation” sy ny “jet fuel» 56 091m3, ny naphta 32 056 m3 ary ny entona fandrehitra 17 268 m3.

Vokatra
Ankoatra izay, nanome tombom-barotra 415,40Ar isaky ny litatry ny solika lafo nandritra ny enim-bola ho an’ireo tobin-tsolika efatra lehibe mpaninjara izany iretsy vokatra voalaza etsy ambony. Fantatra tao anatin’izay fa 75,73Ar isaky ny litatra ny tombony ho an’ireo mpitantanana tobin-tsolika.
Ankilany, mbola anatin’ny dinika momba ny fampiharana ny vidin-tsolika tena izy ny fitondram-panjakana. Fizotra ara-teknika no natao ny volana mey teo. Na izany, ahina hiantraika eo amin’ny toekarem-pirenena sy ny fahefa-mividin’ny Malagasy ny fampiharana ny vidin-tsolika tena izy. Noho izany, hampiakatra ny vidim-piainana andavanandro io fiakarana io.

Henintsoa Hani

Partager sur: