Misy hetsika « torolalana » ho an’ny Solombavambahoaka mandritra ny roa andro, amin’ny alalan’ny fivoriambe azon’ny besinimaro atrehina, izay natomboka omaly, eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, ho fanatsarana ny fomba fiasa eny anivon’ity andrimpanjakana ity. Ao anatin’izany ny hampahafantarana ny andraikitry ny depiote, ny fitantanana ny Antenimiera, ny etika, ny fanolorana tolo-dalàna, hatramin’ny fandaniana izany.
Nisy ny fitsidihana ara-pomba fifanajana nataon’i Park Ji-Hyun, masoivohon’i Korea eto Madagasikara, ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis. Anisan’ny tena nisongadina nandritra ny fihaonan’ny roa tonta ny mahakasika ny fiaraha-miasa eo amin’ ny ady amin’ny kolikoly. Teo ihany koa ny dinika ho fampiroboroboana ny lafiny toekarena sy sosialy.
Disoin’ny avy eo anivon’ny sekoly mampiofana ho mpitsara sy mpirakidraharaha ny vaovao miely eny amin’ny tambajotra sosialy, mahakasika ny fandraisana mpiasam-panjakana amin’ny volana novambra. Ny minisiteran’ny Fitsarana kosa no hamoaka amin’ny fomba ofisialy ny fanambarana fandraisana ho mpitsara sy mpirakidraharaha, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ity sekoly ity.
Efa ao anatin’ny « précampagne » ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina, indrindra amin’ireo kaominina eny anivon’ny renivohi-paritany. Mbola tsy nisy hatreto ny fitoriana mahakasika ny tsy fanaraha-dalàna voarain’ny Ceni. Nanambara ihany koa ity rantsana misahana ny fifidianana ity fa mbola ao anatin’ny ara-dalàna ireo hetsika ataon’ny kandidà.