Ankizy latsaky ny 15 taona miisa 300 no nisitraka fitsaboana maso maimaimpoana, omaly, tetsy amin’ny HJRA, sampandraharaha mitsabo ny maso. Fiaraha-miasa amin’ny tetikasa fitsaboana ny mason’ny ankizy sy fanofanana no nahafahana nanao izany.
Hanofana mahakasika ny serasera sy ny fifandraisana ny fitaleavan’ny Serasera ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, anio sy rahampitso. Hanamafisana ny fahaizana miserasera ara-niomerika izay efa tsy azo ihodivirana intsony amin’izao fotoana izao izany.
Tsy natao toerana hiadiana ara-politika intsony eto Madagasikara. Izay olona vonona hiara-kiasa amin’ny fanjakana ihany no apetraka ho ben’ny Tanàna, hisian’ny fampandrosoana. Tsy manana vinan’asa ny mpanohitra fa ny hiady amin’ny fitondram-panjakana no katsahin’izy ireo. Ramanantsoa Harilala ihany no kandidàm-panjakana, hoy ny governoran’Analamanga, Rasoamaromaka Hery.
Misy amin’ireo sefo fokontany tsy miasa mihitsy ary manohitra fitondrana sy mamita-bahoaka. Tsy misy kajy politika ny fanoloana azy ireny fa tena tsy mahomby. Antananarivo tsy voafetsifetsin’ny fitaka politika izany intsony fa efa samy manana finday entina hanaporofoana ny voka-pifidianana. Misy tsy mampiditra ny lisitry ny olona ao amin’ny fokontany ny sasany amin’izy ireo, hoy hatrany ny governora.