Nendran-drajako : nahitana tranga iray tao Maorisy

Nambaran’ny minisiteran’ny Fahasalamana maorisianina, omaly, fa nahitana tranga voalohany “Mpox” any amin’ny Nosy Maorisy. Teratany Nizeriana 49 taona no fantatra fa voan’izany, raha ny vaovao navoakany hatrany. Nampidirina hopitaly avy hatrany any amin’ny hopitaly Port-Louis izy. “Tsy misy ahina ny toe-pahasalamany”, hoy hatrany ny fanambaran’ny mini­sitra. Nohamafisina avy hatrany ny fanaovana ny fitiliana sy ny ady amin’ny fiparitahan’ny aretina ary ny fanaraha-maso ny olona. Tanjona ny hisorohana ny fiparitahan’ny aretina. Efa vonona kosa ny fizarana ny fanaovam-baksiny, araka ny fanapahan-kevitry ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny Fahasalamana (OMS). Efa nahatratra 40 000 ny trangana nendran-drajako aty amin’ny firenena afrikanina nanomboka tamin’ny fiandohan’ity taona ity, raha ny tatitra navoakan’ny OMS hatrany.

Mino

Partager sur: